Isan’ny firenena misedra olana indrindra manoloana ny tsifanjariantsakafo i Madagasikara nefa dia firenena mamokatra. Raha ny antontanisa dia zaza iray amin’ny roa ( 47% ) no tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka. 26% amin’ny tanora anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona, izany hoe 1 amin’ny 4 no tsy ampy lanja (emaciation).
Ankoatra ny antony hafa ara-toekarena dia isan’ny mila hamafisina ho fanarenana ireo olana laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ireo ny fanabeazana ara-tsakafo, izany hoe ny fahaizana mampiasa ireo vokatry ny tany ao an-toerana, sy ny fizarana hanao sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana miainga amin’izay vokatra misy.
Ny talenta iraisam-pirenena YUNGA dia vondrona talenta maromaro, iarahan’ny skoto zazalahy manerantany (OMMS), ny skoto zazavavy manerantany (AMGE) sy ny Firenena Mikambana ary firaisa-monim-pirenena maromaro hafa. Ireo talenta ireo dia novolavolaina ahafahan’ny tanora manana fahalalana mafonja sy mandray andraikitra mahakasika lohahevi-panabeazana mahakasika azy sy ny tontolony.
Vakio : https://www.fao.org/yunga/resources/challengebadges/fr/
Sampana MAVO
- Mahafantatra ny sokajin-tsakafo 10
- Mahafantatra ny atao hoe sakafo ara-pahasalamana
- Mahay mikarakara sakafo ara-pahasalamana
- Mahalala ny otrik’aina entin’ny sakafo haniny
- Mahafantatra ny antony hihinana sakafo ara-pahasalamana
- Afaka manentana ny manodidina (ray aman-dreny, iray tampo, mpiara-mianatra) hanao sakafo ara-pahasalamana
Sampana Maitso
- Mahafantatra ny atao hoe tsifanjariantsakafo
- Mahafantatra ny voka-dratsy telon’ny tsifanjariantsakafo
- Mahafantatra ny sokajin-tsakafo folo sy ny otrikaina entiny
- Mahafantatra ireo sokajin-tsakafo telo ilain’ny vatana (glucide, lipide, protéine)
- Mahay mandajalanja ireo sokajin-tsakafo ary mahavita mikarakara sakafo ara-pahasalamana
- Mahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana
Sampana MENA
Ambaratonga : Mpihary
- Afaka mifampitohy amin’ny talenta « Fambolena/ Fiompiana/ Fanjonoana/Fihazana/Fandrahoana »
- Manatanteraka asa firotsahana miompana amin’ny ady amin’ny: Fanentanana fiarahamonina hanao sakafo ara-pahasalamana, sy/na Fanabeazana ara-tsakafo araka izay vokatra ao an-toerana, sy/na famokarana sakafo madio sy ara-pahasalamana, sns…
Sampana MENAFIFY
- Mahalala ireo singa sy otrik’aina fototra ilain’ny vatana isan’andro
- Mahay ireo karazana sakafo afaka mitondra sy manome ireo singa sy otrik’aina fototra ireo
- Afaka mikarakara sakafo sy/na mandroso soso-kevitra sakafo ( Menu, plat) mamaly ny otrikaina ilain’ny vatana arakaraka ny ‘Activités’ ataony.
Ireo sokajin-tsakafo 10
- Foto-tsakafo (glucide) : Voamadinika (vary, katsaka, ampemba; ny faka toy hanikotrana ( mangahazo, vomanga, saonjo,oviala…) ny akondro maitso fahandro, soanambo. Mitondra hery sy tanjaka ho an’ny vatana amin’ny ankapobeny
- Voamaina : tsaramaso, kabaro, voatsiroroka, voanjobory, …
- Voa sy voa madinika matavy : Voanjo, mahabibo, voana baobab, voana sezame, voanio, … Manankarena menaka tsara sy proteina, fibra, sira mineraly
- Ronono sy vokatra azo avy amin’ny ronono (potassium/calcium) : ronono, yaourt, fromazy
- Atodin’akoho amam-borona (protéine) : Manankarena proteina tsara kalitao sy singampamelona izay mora raisin’ny vatana tsy hita raha tsy avy amin’ny biby ihany
- Hena, akoho amam-borona, hazandrano : Mitondra proteina tsara kalitao, sy singampamelona izay mora kokoa ny fandraisan’ny vatana azy toy ny fer, zinc, Vitamina B12
- Anana sy legioma miloko maitso : ravitoto, ananambo, brocolis, Mitondra vitamina A betsaka, folate sy singampamelona hafa maro
- Voankazo sy legioma miloko mavo mena : ny papay, manga, carotte, voatavo,.. manankarena vitamina A, misy folate, Vitamine C, vitamine sy mineraly hafa
- Legioma karazany hafa : concombre, tongolo, aubergine, champignon,…
- Voankazo hafa : paoma, goavy, litchi, pasteky,… Mitondra Vitamina sy mineraly toy ny phénolique, de flavonoïdes ary fibre
Sakafo feno sy voalanjalanja
Ny sakafo indray mihinana ho an’ny olona iray (zaza, ankizy, olon-dehibe) dia tokony misy ireo sokajin- tsakafo 03 amin’ny sakafo feno:
- Foto-tsakafo : manome hery sy tanjaka, mitana ny hafanan’ny vatana
- Laoka : miantoka ny fanorenana ny nofo sy ny taolana, ary ny fivelarana ara-tsaina
- Fangaron-daoka (anana, legioma) sy voankazo : manamafy ny fiarovan-tenan’ny vatana, mampirindra ny fitombon’ny vatana sy ny saina.
Loharano nanovozan-kevitra :
- Torolalana fandalinana momba ny talenta YUNGA Nutrition
- Fisy teknika fanentanana sakafo ara-pahasalamana
- Office National de Nutrition
- UNICEF
- FAO
ODD mifandray :
ODD 2 - Foana ny hanoanana