Rivodoza, tondradrano, doro tanety, haintany, fikaohanofontany, andiam-balala, valanaretina (tazomoka, pesta, COVID-19, …),
Raha ireo tahirin-kevitra sy vakoka dia efa hatramin’ny taona 1959 no efa nirotsaka sy nisongadina tamin’ny firotsahana eny amin’ny fiarahamonina ny Tily eto Madagasikara. Nitohy hatrany izany ary hatramin’izao dia lohalaharana isika rehefa misy ny voina manambana na mihatra amin’ny mpiara-belona.
Nandritra izay fotoana rehetra izay nefa dia mbola tsy nisy ny mari-talenta sahaza izany hahafahana mamporisika be be kokoa ireo tilintsika ho tsara fiomanana kokoa sy ho tena hanana ny fahaiza-manao hiarovana ny ainy sy ny ain’ny hafa rehefa mirotsaka amin’ireny fotoana fiatrehana loza voajanahary ireny.
Mamaly izany filàna goavana eto amin’ny firenena, sy ho an’ny fivoaran-tenan’ny tsirairay izany ity mari-talenta ity, ary tombony indrindra ny efa nisiany amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy nila namorona mari-talenta vaovao.
Ny talenta iraisam-pirenena YUNGA dia vondrona talenta maromaro, iarahan’ny skoto zazalahy manerantany (OMMS), ny skoto zazavavy manerantany (AMGE) sy ny Firenena Mikambana ary firaisa-monim-pirenena maromaro hafa. Ireo talenta ireo dia novolavolaina ahafahan’ny tanora manana fahalalana mafonja sy mandray andraikitra mahakasika lohahevi-panabeazana mahakasika azy sy ny tontolony.
Vakio : https://www.fao.org/yunga/resources/challengebadges/fr/
Sampana Mavo
- Mahalala ireo karazana loza voajanahary mety miseho eo amin’ny faritra honenany.
- Mahalala fisorohana fototra amin’ireo valan’aretina mpiseho eo amin’ny faritra misy azy.
- Mahay sy mampihatra ireo fepetra fiomanana ao an-tokantrano raha sanatria misy voina (mahalala ireo laharana vonjy voina, manana “trousse de secours” tsy tantera-drano, manana paika fivoahana raha misy loza, …)
Sampana Maitso
Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo, miampy ireto manaraka ireto :
- Mahalala sy manentana momba ny fiomanana sy fiatrehana rivo-doza (dikan’ny saina miloko, ny atao mialoha-mandritra-aoriana, …)
- Mahalala sy manentana momba ny fiatrehana loza voajanahary iray hafa mpahazo ny faritra (oh: tondradrano, tazomoka, andiam-balala, …)
- Afaka manazava ny fomba fiasan’ny vaksiny sy ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny.
Sampana Mena
Ambaratonga : Mpihary
Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo sy maitso
Ary nanao hetsika fiatrehana loza voajanahary na fanentanana fisorohana valanaretina iray.
⚠️ Raha valanaretina dia hatreo amin’ny fanentanana (Cholera, Pesta, COVID-19,…) no andraikitra raisin’ny beazina Sampana Mena
Sampana Menafify
Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo, maitso, mena miampy ireto manaraka ireto :
- Mandray anjara amina hetsika fanentanana na fiatrehana loza voajanahary.
- Manatanteraka tetikasa maharitra miompana amin’ny fiatrehana loza voajanahary
- Mandrafitra boky milaza ny antsipirihan’ny hetsika na tetikasa natao;
- Manolotra ampahibemaso ny vokatry ny tetikasany