Tanjon’ity talenta iraisam-pirenena iray ity ny hanabeazana ny tanora handray anjara amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ireo harem-bakoka misy eo amin’ny tany sy ny fireneny.

Natao hifantoka kokoa ho an’ny Sampana Mena sy Menafify ity talenta ity noho ireo fepetra manokana takiana aminy, ireo sampana zandriny kosa efa afaka mamolavola amin’ny alalan’ny talenta Tia kolontsaina (Sampana mavo), sy ireo talenta Mpanao vakodrazana, Mpikabary, Mpitana vakoka (Sampana maitso)

Mampiavaka ity talenta ity koa dia noho izy mifantoka manokana amin’ireo toerana voasokajy ho “Patrimoines Mondiales” araka izay voatanisa ao amin’ny : https://whc.unesco.org/fr/etatsparties/mg 

 

Fepetra

  1. Manangana tetikasa ho an’ny iray na maro amin’ireo toerana voasokajy ho “Patrimoines Mondiales”
  2. Miara-miasa akaiky amin’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa
  3. Mizara ny vokatry ny tetikasa firotsahana notanterahina

ODD mifandray :

Talenta iraisam-pirenena
25 juin 2024

Mitombo hatrany ny sehatra hahafahan’ny beazintsika mampivelatra sy mitrandraka ny talentany eto anivon’ny Tily Eto Madagasikara. Efa manana ireo talenta ao anatin’ny Boky Torolalana isan-tsampana isika nahafahantsika nanabe sy nanefy ny tanorantsika namakivaky izay zato taona lasa izay. Ankehitriny dia misy ireto Talenta iraisam-pirenena ireto iombonantsika eo anivon’ny Skotisma zazalahy maneran-tany (OMMS) sy ny Skoto […]

Talenta hafa manakaiky