Ireo ankapobeny trandrahina ao amin’ity talenta ity

Mahafantatra sy mahay manazava ireo Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy 7,13
Mandalina momba ireo angovo azo havaozina fa indrindra ny herin’ny masoandro sy ny fifamatoran’ny angovo avy amin’ny masoandro sy ny toetr’andro ary ny tontolo iainana.
Mandalina momba ny sosoka Ozone sy taratra UV avy amin’ny masoandro ary mahay manazava ny fifandraisan’ireo
Mahay ny fiantraikan’ny taratra UV avy amin’ny masoandro eo amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ankapobeny ary ny fiarovana amin’izany
Mamorona lalao na kilalao mampiasa ny fahazavana omen’ny masoandro
Mahay ireo fihetsika fitsaboana ny fahamaizana ateraky ny taratry ny masoandro
Mamantatra ny teknolojia momba ny angovo avy amin’ny masoandro sy mahay mampiasa izany
Mampiasa sy mampita ny SODIS (solar water disinfection) hanadiovana ny rano ampiasain’ny sokajy
Mampiasa fitaovana mandeha amin’ny angovo avy amin’ny masoandro
Mahavita fatana na lafaoro na rano mafana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary manao sakafo sy mamokatra rano mafana amin’ny alalan’izany ho an’ny sokajy
Mahay mamantatra ny ora amin’ny alalan’ny toerana misy ny masoandro
Mahavita mametraka angovo avy amin’ny masoandro hampiasain’ny fiara-hamonina
Fahafahana mampihatra ireo fahaiza-manao momba ny masoandro amin’ny fiainana andavanandro sy anaty asa firotsahana.

Sampana Mavo

Mahalala ny momba ny masoandro, ny toetoetrany sy ny fiasany (système solaire, …)
Mahalala ny asan’ny masoandro amin’ny fahasalamana sy ny tokony atao mifanaraka amin’izay (Vitamine D, coups de soleil, …)
Mahafantatra ireo karazana fitaovana mandeha amin’ny herin’ny angovo azo havaozina (masoandro, rivotra, …)
Mahay mampiasa SODIS hanadiovana ny rano ampiasainy ao amin’ny andiany na ao an-tokantrano

Sampana Maitso

Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo, miampy ireto manaraka ireto :

Afaka manazava fahalalana tsotsotra momba ny masoandro amin’ny mpiray sokajy aminy (tonon-taona, éclipses, effets de serre, …)
Mamorona lalao na kilalao iray mampiasa ny herin’ny masoandro
Mamantatra ny teknolojia momba ny angovo avy amin’ny masoandro sy afaka manazava ny fomba fiasany
Mampiasa fitaovana mandeha amin’ny angovo avy amin’ny masoandro (fatana, lafaoro, …)

Sampana Mena

Ambaratonga : Mpiatrika
Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo sy maitso, miampy ireto manaraka ireto :

Sampana Menafify

Dingana voalohany

Mahafantatra sy mahay manazava ireo Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy 7,13
Mandalina momba ireo angovo azo havaozina fa indrindra ny herin’ny masoandro sy ny fifamatoran’ny angovo avy amin’ny masoandro sy ny toetr’andro ary ny tontolo iainana;
Mamorona tetikasa mametraka angovo avy amin’ny masoandro hampiasain’ny fiarahamonina na orinasa na fiarahamonina iray.

Dingana faharoa

Mandrafitra boky milaza ny antsipirihan’ny hetsika na tetikasa natao;
Ireto avy no tokony ho hita anatin’ilay boky*: famaritana ilay talenta sy tetikasa, ny tantarany sy ireo fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina ary ireo lafiny teknika tsara ho fantatra.

Dingana fahatelo

Manolotra am-pahibemaso ny tetikasa na hetsika natao sy ny fiantraikany eo anivon’ny fiarahamonina miaraka amin’ny zokiolona sy filoha ary ireo olona heverina fa manana andraikitra manokana amin’ilay sehatra irotsahana. Asongadina manokana ao anatin’ilay fanolorana ny fiantraikany ara-piarahamonina sy ny fanovàna entiny manoloana ny fiarahamonina indrindra ny tontolon’ny angovo.

Dingana fahaefatra

Fanolorana ny marika “Go Solar”

Talenta iraisam-pirenena
25 juin 2024

Mitombo hatrany ny sehatra hahafahan’ny beazintsika mampivelatra sy mitrandraka ny talentany eto anivon’ny Tily Eto Madagasikara. Efa manana ireo talenta ao anatin’ny Boky Torolalana isan-tsampana isika nahafahantsika nanabe sy nanefy ny tanorantsika namakivaky izay zato taona lasa izay. Ankehitriny dia misy ireto Talenta iraisam-pirenena ireto iombonantsika eo anivon’ny Skotisma zazalahy maneran-tany (OMMS) sy ny Skoto […]

Talenta hafa manakaiky