Ireo ho trandrahina
- Mahafantatra ny anjara toeran’ny olombelona sy ny fifandraisany amin’ny zavaboary ary ny andraikiny eo anivon’ny zava-manan’aina rehetra
- Fahalalana ireo ODD 2, 11, 12, 13, 14, 15 sy ny fifandraisany amin’ny fiainana andavanandro
- Mampihatra andavanandro fomba fiaina mampihena ny fampiasana plastika ary manentana ny manodidina azy amin’izany
Sampana Mavo
- Afaka manazava tsotsotra ny fiantraikan’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiainan’ny olombelona.
- Manana firaketana momba ny zava-manan’aina vitsivitsy, ny fomba fiainany sy ny ambana amin’ny fiainany.
- Mahay mampihatra fomba fiaina mitsinjo ny tontolo iainana amin’’ny andavanandro (mitsitsy rano, tsy manapatapaka zava-maniry, tsy mamono biby amin’ny tsy misy antony, …)
Sampana Maitso
Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo, miampy ireto manaraka ireto :
- Mamorona lalao na kilalao na fanentanana na hira momba ny fiarovana ny zava-manan’aina
- Mandray anjara mivantana amin’ireo hetsika fanentanana eo amin’ny fiarahamonina
- Mamorona tetik’asa kely fiarovana ny zava-manan’aina ho tanterahan’ny sokajy na ny antoko
Sampana Mena
Ambaratonga : Mpiatrika
- Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo sy maitso, miampy ireto manaraka ireto :
- Nitrandraka fahaiza-manao momba ny fiarovana zava-manan’aina na famokarana/fanjifana mitsinjo ny tontolo iainana sy nampihatra izany anaty tetikasa iray.
- Afaka manazava ny antony sy fiantraikan’ny fiparitahan’ny fako plastika amin’ny fiainana andavanandron’ny olona
Sampana Menafify
Dingana 1
- Mahafantatra sy mahay manazava
ireo Tanjon’ny Fandrosoana
Lovainjafy 2,11,12,13,14,15; - Mahafantatra sy afaka manazava
momba ireo sampandraharaha
misehatra amin’ny fiarovana ny
zava-manan’aina eto
Madagasikara sy maneran-tany; - Mamorona tetikasa ho fiarovana
ny zava-manan’aina ho
tanterahan’ny fokonolona na
fileovana.
Dingana 2
- Mandrafitra boky milaza ny antsipirihan’ny
hetsika na tetikasa natao; - Ireto avy no tokony ho hita anatin’ilay
boky*: famaritana ilay talenta sy tetikasa,
ny tantarany sy ireo fiantraikany eo
amin’ny fiarahamonina.
Dingana 3
- Manolotra am-pahibemaso ny tetikasa na
hetsika natao sy ny fiantraikany eo anivon’ny
fiarahamonina miaraka amin’ny zokiolona sy
filoha ary ireo olona heverina fa manana
andraikitra manokana amin’ilay sehatra
irotsahana. Asongadina manokana ao
anatin’ilay fanolorana ny fiantraikany ara-
piarahamonina sy ny fanovàna entiny
manoloana ny zava-manan’aina sy ny
tontolony.
Dingana 4
- Fanolorana ny marika “Panda Badge”