Ny Médiateur dia :
- miaro ireo zo fototra zakain’ny olom-pirenena.
- Miasa an-kalalahana ary tsy manavaka momba izay fitarainana entina eo anoloany.
- Manoro hevitra.
- Mandray ireo fitarainana rehetra izay teraka ao anatin’ny fifandraisan’ny olom-pirenena sy ny rafi-pitondram-panjakana rehetra sy ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana,
- Mandray ireo fitarainana teraka avy amin’ny Fitantanana tsy mahomby ny asam-bahoaka (dysfonctionnement et mauvaise gestion du service public).
- Mandray ireo fitaraina avy amin’ny olom-pirenena, na vahiny, na inona na inona zom-pireneny ary n’aiza naiza fonenany.
- Mandray ny fitarainana sy miasa maimaimpoana.
- Miditra an-tsehatra amin’ny fifandraisan’ny olom-pirenena sy ny fitondram-panjakana sy ireo manatanteraka asam-bahoaka rehetra ny Médiateur, ary manam-pahefana hanolotra volavolam-panovana ho fanatsaràna ny asam-
bahoaka. - Miasa an-kahalalahana sy mahaleo tena tanteraka eo amin’ny fanatanterahany ny asa
- fiahiana ny ara-drariny, ary manao tatitra isan-taona amin’ny Filoham-pirenena, ny Praiminisitra ary ny parlemanta.