- Azo atao ny fanokanana Sampana Mpanazava (na/sy) Tily rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Foiben’ny Synodam-piangonana (FSFLM/SKOA/SAMPATI/SFTIMPA/SATIMPA) sy ny Komity Lehibe MTEM ary ny Foibe (MEM/TEM). Ka ireto avy no fepetra takiana amin’izany :
- Sampana efa nitsangana enim-bolana fara-fahakeliny
- Sampana efa vonona ary ara-dalàna tsara eo anivon’ny Fiangonana
- Sampana efa vonona ary ara-dalàna tsara eo anivon’ny Fikambanana (MEM sy TEM)
- Ny fotoana hanokanana Sampana Mpanazava (na/sy) Tily eo anivon’ny Fiangonana dia tsy maintsy ary ifanarahan’ny Synodam-piangonana (FSFLM na SKOA na SAMPATI na SFTIMPA na SATIMPA) sy ny Fikambanana (Komity Lehibe, ary ny Foibe MEM sy TEM).
- Amin’ny andro hanokanana, dia ilaina ny mampiseho amin’ny Fiangonana ny fiaraha-miasa sy ny firaisana ary ny fiombonan’ny Synodam-piangonana sy ny Fikambanana. Izany dia marihana amin’ny alalan’ny fijoroan’ny :
- Solontenan’ny Synodam-piangonana (FSFLM na SKOA na SAMPATI na SFTIMPA na SATIMPA)
- sy ny solontenan’ny Fikambanana (Komity Lehibe ary ny Foibe MEM sy TEM)
- Ezahana mba ho ny fanahin’ny fanompoana sy ny firaisan–tsaina ary ny fifanankalozan–kevitra, no hanjaka eo anivon’ny Synodam-piangonana sy ny Fikambanana, mandritra ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny Fanokanana.
Ireo mpandray anjara mandritra ny fanokanana fivondronana :
- Ny Mpitondra fivavahana
- Ny Solo-tenan’ny Synodam-piangonana
- Ny Komitim-paritany
- Ny Filoha avy amin’ny Faritany
Ireo antontan-taratasy ilaina raha hanokana fivondronana vaovao
Ireto taratasy ireto dia alefan’ny Komitim-pivondronana amin’ny Faritany, ary ny Faritany no mankatoa azy sy mandefa azy amin’ny Foibe.
- Taratasy fangatahana avy amin’ny Komitim-pivondronana
- Lisitry ny mpikambana rehetra
- Taratasy fifanarahana fananganana fivondronana (araka ny modely omena)
- Fanazavana ny lokon’ny fehitendam-pivondronana sy ny heviny
Fizotran’ny fanokanana Fivondronana
Manaraka ny litorjia araka izay fandaminan’ny synodam-piangonana ny fizotran’ny fanokanana.