Nohavaozina ary manan-kery manombika ny zoma 10 febroary 2023 ho an’ny herintaona manaraka ny fiantohana antsika (Assurance)
Araka ny fehin-kevitry ny FIFITI 2022 Morondava dia nohatsaraina izany fiantohana izany ka niakatra ho 200.000Ar ny tahan’ny fandraisana an-tanana fitsaboana (raha toa ka 60.000Ar) izany teo aloha.

Ny vola alohan’ny Tily tsirairay rehefa mandoa FAFI dia tsy assurance no anarany fa latsak’emboka ka tafiditra ao ny :
- fampandehanan-draharaha anatiny sy ivelany
- vidin’ny karatra maha-mpikambana
- fiantohana (Assurance)
Ny trano fiantohana miahy antsika dia :
- SANLAM Madagascar
- Police : 1002/8220000034
- Catégorie : Individuel Accident
- Durée du contrat : 1 an sans tacite reconduction
- Capital Décès : 500.000ar
- Plafond frais de traitement : 200.000 ar (ity ilay niakatra)
- Ireo no mifanaraka amin’ny latsakemboka alohantsika.
Ny Tily eto Madagasikara no manao fifanarahana (contrat) any amin’ny « assurance ». Noho izany, ny tily manana karatra manan-kery, ao anaty hetsika ara-dalàna ato amin’ny Tily Eto Madagasikara dia voaantoka avokoa.
Ny atao hoe hetsika ara-dalàna dia:
Hetsika ao anaty fandaharana herintaona/telovolana/Fivoriana/Fivoahana antsaha/Lasy misy Sonia sy fitomboky ny Filoham-paritany na Filohan’ny Foibe na ny solotenany (voatendry an-tsoratra)
Raha Fivoahana antsaha sy Lasy dia nanaovana fangatahana alalana hilasy tany amin’ny Faritany sy/na Foibe, ary nahazoana ireto manaraka ireto :
- Taratasy alefa amin’ny Faritany sy/na Foibe: fangatahana fahazoan-dalana hanao weekend na lasy (DFaV). Nahazo alalana = Nivaly ary misy sonian’ny Filoham-Paritany na Filohan’ny Foibe na ny solotenany voatendry an-tsoratra ny taratasy fahazoan-dalana.
- Taratasy fangatahana fahazoan-dalana any amin’ny toerana hilasiana misy fanamarinana avy amin’ny Sefo Fokotany sy/na ben’ny tanana na préfet de police
- Lisitry ny mpilasy misy laharan’ny karatry ny tsirairay
- Fandaharana + Fiche teknika rehetra

Raha misy voina mitranga :
- Miantso ny DFaV Faritany sy DFaV Foibe ao anatin’ny 48h (roa andro) ary lazaina ny voina nitranga, toerana, fomba nitrangan’ny loza, isan’ny niharam-boina.
- Atao an-tsoratra ireo avy eo ary alefa amin’ny DFaV Foibe misy Sonia sy fitomboky ny Faritany/Foibe
- Misy antontan-taratasy maromaro avy eo karakaraina miandalana (5 andro), alefa amin’ny DFaV Foibe
- Anjaran’ny DFaV Foibe no miantso sy mifandray amin’ny assurance rehefa voaray ny antso an-tariby avy amin’ny niharam-boina