Amin’ny maha-hetsi-panabeazana tanora ny skotisma dia saika voakasiky ny zon’ny ankizy avokoa ny maro amin’ireo beazina ao (06 hatramin’ny 25 taona).
Ny volana janoary 2022 dia nanomboka niara-niasa tamin’ny UNICEF sy ny Médiature de la République ny Tily eto Madagasikara, izay samy misehatra amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy.
Inona no atao hoe zon’ny ankizy ?
Ny taona 1959 no nanao fanambarana hiarovana ny zon’ny ankizy ny Firenena Mikambana. Ny tanjona dia ny hanomezana lasitra fiarovana ny ankizy rehetra (izany hoe izay olombelona rehetra latsaky ny 18 taona) manerana an’izao tontolo izao, na iza izy na izy, na avy aiza na avy aiza.
Telopolo taona taty aoriana (1989) vao tena noraisina sy tafavoaka tanteraka ny Fifanarahana Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Ankizy. Ary nanasonia izany i Madagasikara ny taona 1991. Ankehitriny dia io no fifanarahana iraisam-pirenena be nanasonia indrindra satria Firenena 196 no efa mampihatra, ny firenena tokana mbola tsy nanasonia azy amin’izao fotoana izao (2022) dia i Etazonia.
Ireo sokajin-jo 05 ananan’ny ankizy
Misy andininy 54 isa ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy. Afaka avondrona sy sokajiana ho zo fototra dimy (05) ireo zo rehetra ireo.
1. Zo hanana anarana sy firenena (and .7, 8)
Raha vao teraka ny zaza, dia tokony manao fanambaram-piterahana any amin’ny firaisana misy ny toerana nahaterahan’ilay zaza ny ray aman-dreniny. Ho voarakitra anatin’ny rejistra maha-olom-pirenena ny momba ilay zaza. Ny fahavitan’ny fanambaram-piterahana dia ahafahana manamarina ny fisiana sy ny maha-olom-pirenena ny zaza. Raha tsy vita izany dia toy ny tsy misy akory ilay zaza ka ho sarotra ny fiarovana azy. Ho voaharo amin’ny famarotana, ny fangalaran-jaza,ny fanambadiana tsy ampy taona, ny fanararaotana ara-nofo, ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona amin’ny asa an-terivozona, fanakaramana ny ankizy hanao miaramila. Ny fananana KOPIA dia manampy betsaka ny fampidirana ny zaza an-tsekoly sy ny fandehanany ny amin’ny tobim-pahasalamana.
2. Zo ho salama (and. 3, 6, 24, 26, 27)
Ny zo ho salama dia tokony hananan’ny zaza rehetra. lsan-taona nefa mbola maro ny zaza maty tsy mahatratra ny faha-dimy taonany akory. Maherin’ny 9 lavitrisa (9.000.000.000) ny zaza maty eran-tany. Ny fototra mahatonga izany dia ny tsy fahampian-tsakafo, tsy fananana rano fisotro madio sy foto-drafitr’asa mifanentana amin’izany, ny pneumonie, ny tazomoka, ny VIH/SIDA, ny tsy fisian’ny fitsaboana ara-dalàna.
3. Zo hianatra (and. 22)
Tokony hianatra ny ankizy satria manampy ny fahafantarany avy hatrany ny fomba fiarovana amin’ny aretina, sy fampihenana ny taha-pahafatesan’ny zaza sy ny reny, ny fanabeazana ny zaza hianatra, hivoatra ary hiady amin’ny fahantrana sy ny fanamparam-pahefana.
4. Zo ho arovana (and. 19, 22, 32, 33, 34, 35, 39, 40)
Ny dikan’ny hoe fiarovana dia ahafahana misoroka ny herisetra rehetra. Anisan’izany ny fanararaotana ara-nofo atao fahazoam-bola, ny fivarotana sy ny fampiasana ny ankizy, ny fomba amam-panao mitera-doza, ny fanambadian’ny zaza tsy ampy taona.
5. Zo handray anjara (and. 12, 13, 14,15,17)
Ny fiaraha-monina manana fahalalahana na demokratika dia manan-jo amin’ny fandraisana anjara avokoa ny olom-pirenena ao aminy, eny fa na dia ny ankizy aza. Omena vaovao sahaza ny taonany ny ankizy, ampandraisina anjara izy ireo amin’ny fanapahan-kevitra any an-tokantrano, any an-tsekoly, any amin’ny fokontany misy azy ireo. Adidy sy andraikitr’ireo firenena sy fanjakana nankato ny zon’ny ankizy ny fampandraisana anjara ny zaza.
Ireo andininy tsirairay ao amin’ny Zon’ny ankizy
Andlnlny 1: Famaritana ny atao ho zaza
Ny olona rehetra latsaky ny valo ambin’ny folo taona araka ny voasoratra ato anatin’ny FIZOZAZA no atao hoe zaza.
Andininy 2: Tsy fanavakavahana
Ny zo rehetra dia mahakasika ny zaza rehetra tsy an-kanavaka na manan-karena na mahantra,na mitondra kilema na tsy misy kilema. Tsy mijery ny tenin-drazana, na fihaviana, na finoana, na kolotsaina. Mitovy lanja ny fikarakarana ny zaza rehetra.
Andininy 3: Ny tombontsoa lehibe indrindra ho an’ny zaza
Tokony katsahin’ny olon-drehetra, indrindra fa ny lehibe ny tombotsoa lehibe indrindra ho an’ny zaza, indrindra moa rehefa maka fanapahan-kevitra dia tokony hitandrina tsara izy ireo mba tsy anohintohina ny zaza izany.
Andininy 4: Fizakana ny zo
Ny fanjakana no miantoka ny fiarovana ny zon’ny zaza rehetra. Tokony hanampy ireo ray aman-dreny izy ireo amin’izany ary koa mametraka fiaraha-monina afahan’ny zaza mitombo sy ivoaran’ny fahaizany.
Andininy 5: Fanoroan-dàlana ny zaza sy fivoaran’ny fahaizany
Manana andraikitra lehibe amin’ny fizakan’ny zaza ny zony ny ray aman-dreny no sady miantoka ny fanajana ireo zon’ny zaza rehetra.
Andininy 6: Fiainana sy fivelarana feno
Manana zo hiaina ny zaza rehetra.
Andininy 7: Zo hanana anarana sy Firenena
- Vao teraka dia tokony hanana anarana ny zaza ary koa mizaka zom-pireneny;
- Tokony eken’ny fanjakana ny fananan’ny zaza izany rehetra izany.
Andininy 8: Fiarovana ny mombamomba ny zaza
Manana zo hanana ny mombamomba azy ny zaza. Voarakitra anatin’ny sora-piankohanana sy fanambaram-piterahana izany. Tsy misy olona na iray aza afaka mamafa ny mombamomba ny zaza.
Andininy 9: Ny fisarahana amin’ny ray aman-dreny
Manana zo hiara-monina amin’ny ray aman-dreniny ny zaza raha tsy voatohintohina ny tombotsoan’ny zaza. Manana zo hiara-monina amin’ny fianakaviana afaka hamelona azy ny zaza.
Andininy 10: Fampiraisana ny isam-pianakaviana
Raha tsy iray toerana amin’ny ray aman-dreniny ny zaza, dia manana zo feno izy handeha hiara-monina amin’izy ireo.
Andininy 11: Fifindran-toerana sy tsy fampodiana tsy ara-dàlana
Tokony ho voaharo amin’ny fangalaran-jaza ny zaza.
Andininy 12: Ny hevitry ny zaza
Manana zo haneho ny heviny an-kalalahana ny zaza. Anjaran’ny lehibe no mihaino azy ary tsy mandika izany ho « hevi-jaza ».
Andininy 13: Fanehoan-kevitra an-kalalahana
Manana zo ny zaza hahafantatra ny zava-misy sy haneho an-kalalahana izany amin’ny hafa, amin’ny fandraisam-pitenenana, amin’ny fanaovana sary, amin’ny soratra na amin’ny endrika hafa koa, raha tsy manohintohina ny hafa izany.
Andininy 14: Fahalalahana ara-pisainana, ara-pieritreretana ary ara-pinoana
Manana zo hisafidy izay foto-pinoany ny zaza. Ny ray aman-dreny no manampy azy amin’izany safidiny izany ary mahafantatra izay mahasoa ilay zaza.
Andininy 15: Fahalalahana hiditra anaty fikambanana
Manana zo hisafidy izay ho namany ny zaza, sy hiditra sy mamorona (anatin’ny) fikambanana koa izy raha toa ka tsy manohintohina ny hafa izany.
Andininy 16: Fiarovana ny fiainana manokana (Vie privée)
Manana zo hanana ny fiainany manokana ny zaza.
Andininy 17: Fahazoana vaovao mifanentana amin’ny taona
Manana zo hahalala izay mahasoa azy ny zaza mba ahafahany mivelatra ara-tsaina. Ny radio, ny gazety, ny boky, ny solosaina ohatra dia tokony mampahafantatra azy izany. Andraikitry ny lehibe kosa ny miantoka fa vaovao sahaza ny taonany no ho zaraina amin’ny zaza ary manampy azy ireo mba hahatakatra ny hevitr’izany.
Andininy 18: Andraikitry ny ray aman-dreny
Raha ny tokony ho izy dia ny ray aman-dreny niteraka no miandraikitra ny fanabeazana sy ny fitaizana ny zanany. Zon’ny zaza rahateo izany.
Andininy 19 : Fiarovana amin’ny herisetra sy fampijaliana
Manana zo harovana amin’ny herisetra sy ny fampijaliana ny zaza, na ara-batana, ara-tsaina, sns …
Andininy 20: Fiarovana ny zaza tsy eo anivon’ny fianakaviana
Manana zo ho karakaraina manokana ny zaza tsy eo anivon’ny ray aman-dreniny na ny fianakaviany.
Andininy 21: Fananganan-jaza
Manana zo ho karakaraina tsara sy ho arovana ny zaza raha toa ka zaza natsangana na napetraka aman’olona.
Andininy 22: Zaza mitsoa-ponenana
Fiahiana manokana no omena ny zaza mitsoa-ponenana na voatery niala ny tokantranony ka monina any amin’ny firenen-kafa. Ny zo rehetra voarakitra anatin’ny zon’ny ankizy dia manan-kery aminy avokoa.
Andininy 23: Zaza manana fahasembanana
Ny zaza manana fahasembanana dia manana zo hahazo fitsaboana manokana sy fanabeazana ary fiofanana, indrindra fa ny fampiharana ny zo rehetra anatin’ny zon’ny ankizy mba ahafahany manana fiainana mirindra.
Andininy 24: Toe-pahasalamana sy fikarakarana ara-pahasalamana
Manan-jo ny zaza hahazo fitsaboana feno sy ara-dalàna, hanana rano fisotro madio ary sakafo ara-pahasalamana, tontolo madio sy azo antoka. Omena azy ny fahalalana mba ahazoany fahalasalamana feno.
Andininy 25: Fanavaozana ny fikarakarana ny zaza
Mila arahi-maso matetika ny fiainan’ny zaza lavitra ny fianakaviany. Tokony hifandraika amin’ny tombotsoa lehibe indrindra ho an’ny zaza ny zava-misy hiainany.
Andininy 28: Fiahiana ara-tsosialy
Tokony hampian’ny fanjakana ny zaza mahantra sy tsy manan-koraisina.
Andininy 27: Fari-piainana
Manana zo hitafy, hisakafo ary hanana toerana sahaza azy ny zaza mba ahafahany miaina sy mahazo fitsaboana raha mila izany izy. Tsy tokony ambaka noho ny hafa ny zaza noho izany ka tokony ho afaka manao izay zavatra rehetra sahaza aminy izy.
Andininy 28: Fampianarana
Manana zo hahazo fanabeazana: fampianarana tena tsara ny zaza, tokony afaka hanohy ny fianarany izy raha mbola vitany izany.
Andininy 29: Zava-kendren’ny fampianarana
Ny fanabeazana/ny fianarana dia ahafahan’ny zaza mampitombo ny talentany sy ny fahaizany. Manampy azy hiaina am-piadanana, hiaro ny manodidina azy sy hanaja ny hafa ihany koa izany.
Andlnlny 30: Ny zaza avy amin’ny sokajim-piarahamonina vitsy an’isa na manana fomba fiaina manokana
Manan-jo hisafidy ny kolotsainy, ny teniny, ny finoany ny zaza. Mba ho fampiharana ny zon’ny ankizy dia mila fiarovana manokana ny zaza avy amin’ny sokajim-piarahamonina vitsy an’isa na manana fiainana manokana.
Andininy 31: Fialam-boly
Manana zo hiala sasatra sy hilalao ny zaza.
Andininy 32: Zaza miasa
Manana zo ho arovana amin’ny fampiasana azy amin’ny asa miteraka tsy fahasalamana ny zaza ary indrindra amin’ny asa manakana azy tsy handeha an-tsekoly. Raha zaza ampy taona tokony hiasa dia tokony handray karama ara-dalàna tsy misy fanambakana. Miaina anatin’ny fandriampahalemana izy amin’izany.
Andininy 33: Fandraisana sy fanondranana zava-mahadomelina
Manana zo ho arovana amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy fanondranana izany ny zaza.
Andininy 34: Fiarovana amin’ny fametavetana na ny fanararaotana ara-nofo
Manana zo ho arovana amin’ny fanararaotana ara-nofo ny zaza.
Andininy 35: Fivarotan-jaza
Tsy misy na iza na iza mahazo mangalatra na mivaro-jaza.
Andininy 36: Endri-panararaotana hafa
Manana zo ho arovana amin’ny endrika fanararaotana hafa rehetra ny zaza.
Andininy 37: Fampijaliana sy famonjana
Tsy misy olona afaka manasazy ny zaza amin’ny alalan’ny fampijaliana.
Andininy 38: Ady mitam-piadiana
Raha any amin’ny tany misy ady no misy ny zaza, dia tokony ho tandrovina mba hiaina milamina izy. Ny zaza latsaka ny 15 taona dia tsy azo terena hanao miararnila.
Andininy 39: Famerenana amin’ny laoniny sy fiverenana anivon’ny fiaraha-monina
Manana zo ho arovana ny zaza raha maratra, raha iharan’ny fampijaliana.
Andininy 40: Fitsarana ny zaza tsy ampy taona
Manana zo hahazo fitsinjovana manokana ny zaza miakatra fitsarana anatin’ny rafi-pitsarana manaja ny zon’ny zaza.
Andininy 41: Fanajana ireo fepetra efa mipetraka
Raha manana lalàna afaka mitandro sy manaja ny zon’ny zaza ny firenena iray mihoatra amin’izay voarakitra ato anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy dia izay no manan-kery sy ampiharina.
Andlnlny 42: Fanapariahana ny Zon’ny ankizy
Manana zo hahafantatra ireo zony ny zaza. Anjaran’ny olon-drehetra ny manampy mampahafantatra izany amin’ny zaza.
Andininy 43 hatramin’ny 54: Fanapariahana ny Fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny ankizy
Manazava ny fomba fampiharana ireo zon’ny zaza ny andininy voatanisa. Manana adidy amin’izany ny fanjakana sy ireo sampan-draharaha iraisam-pirenena toy ny UNICEF mba ho voahaja araka ny tokony ho izy ireo zon’ny zaza.
Nosintonina avy tamin'ny https://www.unicef.org/madagascar/mg/tatitra/fifanarahana-iraisam-pirenena-ho-anny-zonny-ankizy
Jereo koa