Sokajy
Fanabeazana Skotisma Iraisam-pirenena

Talenta iraisam-pirenena

Mitombo hatrany ny sehatra hahafahan’ny beazintsika mampivelatra sy mitrandraka ny talentany eto anivon’ny Tily Eto Madagasikara. Efa manana ireo talenta ao anatin’ny Boky Torolalana isan-tsampana isika nahafahantsika nanabe sy nanefy ny tanorantsika namakivaky izay zato taona lasa izay. Ankehitriny dia misy ireto Talenta iraisam-pirenena ireto iombonantsika eo anivon’ny Skotisma zazalahy maneran-tany (OMMS) sy ny Skoto zazavavy maneran-tany (AMGE).

Manana sehatra isika ankehitriny ahafahantsika mbola manokatra sehatra be be kokoa ho an’ny tanorantsika ho an’ny zato taona ho avy. Hanampy ireo seha-pibeazana efa misy, sady ahafahantsika manolotra seha-pibeazana mamaly ny filàn’ny fiarahamonina ankehitriny, mamaly ny filàn’ny firenena, fa indrindra hivelaran’ireo beazintsika ho tena olompirenena mandray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina misy azy, na ao an-tokantrano, na eto amin’ny Firenena eny hatrany ivelany mihoatra lavitra ny ranomasina aza.

Manana adidy ise Mpiandraikitra hanampy ny beazin’ise, hitrandraka, hisehatra lalindalina kokoa mba hahafahan’izy ireo maharaka ny fivoatrin’ny tontolo manodidina azy ary indrindra ho fivoaran’ny tenany.

Atolotra an’ise Mpiandrikitra ary ity Boky ity hanoro lalana an’ise amin’ireo fepetra takiana ahazoan’ny Beazina ireo talenta ireo. Tenim-pirenena mifangaro izy ity fa inoana fa tsy ho sakana amin’ny fampiharana azy akory.

Ampiharo fa fanabezana skoto tily ireo izay hitondra ny beazin’ise ho tonga olompirenena vanona, ho andrin’ny fianakaviana ary indrindra ho vavolombelon’i Jesoa Kristy satria « Ny Beazina no Tsangambato ».