Teny roa natambatra ny « VONTADY » dia VONA (fatotra) sy TADY (karazana kofehy vita avy amin‟ny taretra, natao randran-telo, antsoina koa hoe TADY MAHAZAKA). Ny atao hoe « VONTADY » dia « DINA » natao hifampifehezan’ny FOKONOLONA mpiara-belona sy mpiray Faritra mitovy fomba amam-panao ka « VONTADIM-POKONOLONA » no niantsoana azy tamin’izany. N
ny teny ifampierany eo amin‟ny toe-javatra iray na roa na mihoatra no ifanekeny hotanterahana ka aseho amin‟ny alalan‟ny vona amin‟ny tady mahazaka efa vonona eo anoloan‟ny Zokiolona izay mpitarika ny fivoriana. Arakaraky ny hevi-baventy tapaka no isan‟ny vona atao. Tsy azon‟olom-bitsy vahàna izay voavona raha tsy eo imason‟ny Zokiolona sy ny Loholona ary ny Fokonolona rehetra niara-nanangana ny « VONTADY ». Rehefa tanteraka izay nifanarahana, na raha toa ka vita araka ny niheverana azy ny asa nifanekena dia vahàna ny vona ary manao « Vontady » hafa indray, araka izay takian‟ny fokonolona. Misy anefa vontady tsy vahàna mihitsy.fa mitoetra maharitra.
Io famaritana io no niaingan’ny Vontadin’ny Mpitarika. Na ny heviny, na ny vontoatiny, na izay ilàna azy dia izay noraketin’ny tany am-piandohany no iorenany. Ny fomba enti-mampihatra azy no nampifanarahana tamin’ny fototra ijoroan’ny Menafify sy ny hokendrena eo amin‟ny beazina ary ny tanjon’ny Sampana izay miorina amin‟ny zava-kendren’ny Tily eto Madagasikara.