« Tena ilaina sady azo itokisana ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia misy ny Menafify ». Manaraka ny Politika Nasionaly fanabeazana Tily eto Madagasikara ny Fandaharam-panabeazana Menafify.
Fandaharana atolotra
Tontolo iainana andavan’andro mihitsy no atrehan’ny Menafify ka ahitana Fihariana sy fitadiavana, Fiainam-piaraha-monina samihafa ary tontolo ivelaran’ny fanatontoloana.
Noho izany, ny fandaharam-panabeazana atolotra dia :
- Manomana ny Menafify amin’ny asa fivelomana
- Manomana feno ny tsirairay amin’ny fiainam-pianakaviana
- ampivelatra ny fahaiza-mamorona ho enti-miaina
- Mirotsaka amin’ny famokarana sy fanatsarana ny fiaraha-monina
- Manome sehatra bebe kokoa hatrany ny tsirairay ho tena kristianina mijoro sy fitaovana fampandrosoana ny fiangonana
Karazana hetsika anaty fandaharana
- Asa fitoriana ny filazantsara
- Fampiharana ny Ambaratonga Menafify araka ny voasoratra ao amin’ny torolalana
- Fisindana an-tsaha ( lasy, foaran’ny tetik’asa FOTASA)
- Fizahan-tany – asa soa (oh : don de sang)
- Fitsidihana orinasa (usine , atelier…)
- Ketrika menafify ( karoka, fanentanana, lalao samihafa,…)
- Fitrandrahana talenta
- Atrikasa samihafa ( s.r.s – e.v.f – projet wash ,…)
- Tetik’asa (lavitr’ezaka sy fohy ezaka)
- Asa firotsahana amin’ny fiaraha-monina ( ady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, fanentanana momba ny fahasalamana, fanampiana ireo fiaraha-monina hiatrika loza voajanahary,…)
- Fanaovana fanatanjahan-tena
- Fikarakarana fety sy lanonana
Fomba fanabeazana skoto
Toy ny amin’ny fanabeazana skoto rehetra dia ampihatra ny fomba fanabeazana skoto, iraisana maneran-tany, ny fanabeazana Menafify. Ahitana singa valo io fomba fanabeazana skoto io :
Lalàna sy fanekena skoto
- Lalana folon’ny Tily
- Fanaovana Fanekena : fanekena Tily, Fanekena Fanorenana
- Fanekena Tily : namana vaovao, vao hiditra Tily
- Fanekena fanorenana : namana efa nahavita fanekena Tily, vonona hiroso amin’ny maha-Menafify
Fibeazana arak’asa
Fiainam-bondrona
Fileovana- Zokiolona- Fokonolona – Loholona
Fivoaran’ny tsirairay
Ambaratonga Menafify
- Mpiketrika mameno
- Mpialoha lalana
- Mahatsangy no ary
Talenta Menafify
« Certificat » no atolotra mba hanampy amin’ny fitadiavana asa. Ny Foibe Tily eto Madagasikara no mamoaka io certificat io.
Natiora
Lasy, fizahan-tany, FOTASA, fisindana, Asa Fitoriana Filazantsara,…..
Tohana olon-dehibe
Olon-dehibe eo anivon’ny Tily eto Madagasikara : Zokiolona, Tonia, Fioha, Tranainy, KP, KOPA.
Olon-dehibe ivelan’ny Tily eto Madagasikara : Mpitondra Fiangonana, olona ara-panjakana, mpitantana orinasa, Mpanofana ivelan’ny Fikambanana, ….
Asa firotsahana
- Firotsahana eny amin’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana.
- Fiatrehana loza voajanahary
- Loko Menafify
Fomba sy tarazo
Fanakena Tily, Fanekena Fanorenana, FOTASA, SAINA, fehitenda menafify , hiaka sy hira, fitohizan-tsampana, fanamiana, vontady, fandraisana namana vaovao, fitsofan-drano Menafify, Ketrika, Ampamoloana