Fepetra ifidianana Loholona
- Mpiandalana 17 taona no ho miakatra no fidiana ho Loholona.
- Mpandray ny Fanasan’ny Tompo na mpanatona ary efa nahavita donak’afo. Efa mahafantatra ny zava-kendren’ny Tily Eto Madagasikara ny Loholona.
- Maharitra 2 taona ny asan’ny Loholona, nefa ny mpiray Fokonolona ihany no mandinika na tokony ho soloina izy na tsia.
- Raha tsy voafidy intsony ny Loholona dia miverina mandray ny toeran’ny Mpiandalana tsotra.
Tanjon’ny fanofanana Loholona
Fanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo @ Zokiolona sy ny Loholona
Fampandraisana anjara mivantana ny Loholona amin’ny fitantanana ny Fokonolona sy ny fandrindrana ny fandaharana napetraka
Fanomezana fahalalàna bebe kokoa ny Loholona mba :
- hametrahan’ny Fokonolona tarihany fanajana sy fankatoavana azy bebe kokoa,
- tsy ho mpampihika Fokonolona fotsiny izy,
- hahafahany mampiaina ny Fokonolona tarihany araky ny tokony ho izy.
Andraikitry ny Loholona
- Mpanetsiketsika sy mpitarika ny Fokonolona.
- Mpanetsiketsika sy mpitarika ny Fokonolona amin’ny fivoriana sy ny fanatanterahana asa.
- Mpandrindra ny fanatanterahan’asa ataon’ny Fokonolona, ary tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Zokiolona sy mampandroso ny Fokonolona.
- Mpitondra feo sy tatitra mankany amin’ny fivorian’ny Loholona sy ny Zokiolona.
- Mpitarika ny Tokolavan’ny Fokonolona. Ny Tokolava dia dinidinika na fivoriana hifanaovan’ny mpiray Fokonolona. Ka ny hevitra tapaka eo no atao hoe lanieram-pokonolona.
- Araka izany andraikiny izany dia mitondra ribà mena 2 (andaniny sy ankilany amin’ny marika ravinala) mitsangana eo amin’ny paosiny havanana ny Loholona mba hamantarana azy.
Taranja tokony anofanana ny loholona
Mba ho mpanetsiketsika :
- Fiainam-bondrona
- Fanentanana
- Fizahan-tany
- Tontolon’ny lalana
- Ny maha-mpiandalana
- Fomba sy tarazo
- Lalàna sy fanekena
- Ambaratonga sy talenta sampana mena
- Tetikasa
- Teknika skoto
Mba ho Mpitarika
- Haitarika
- Antso maha-mpitarika
- Rafi-piangonana sy synodam-piangonana misy azy
- Rafitry ny Tily eto Madagasikara
- Rafitra Sampana Mena
Mba ho Mpandrindra
- Rafi-pitantanana ara-panjakana
- Fomba amam-panao eo amin’ny fiaraha-monina misy azy
- Psykolojia 17-20 taona
- Fahaiza-mamorona
- Fakàna filàn’ny mpiandalana
Mba ho Mpitondra feo
- Fifandraisana
- Teknolojia fifandraisana
- Ohabolana sy hain-teny
- Soratra Masina