Sokajy
Sampana Mavo Tily (Lovitao)

Vazon’ny andiany

« Hira atiala » no iantsoana ireo hira entina handravahana sy hanomezana aina bebe kokoa ny fomba fanabeazana sy fomba fampitana hafatra amin’ireo lovitao ao amin’ny Atiala.

Voambolana mifono anatra tsotra sy sahaza ny salan-taona an’izy ireo no hita ao anatin’ny tonony.

Koa ampifaliana no anoloran’ny ekipa Fanabeazana sampana mavo, indrindra ao anatin’izao fankalazana ny faha 100 taonan’ny Tily Eto Madagasikara izao, ity boky « Hira atiala » ity ho fitaovam-panabeazana. Karazan-kira noforon’ireo zoky tany aloha sy angon-kira no nohezahina narafitra ato anatin’ny boky.

Maro amin’ny ankizy no manana talenta ka hanampy azy ireny hitrandraka sy hiaina izany amin’ny alalan’ny asa famoronana na tononkalo, na famoronan-kira eny fa na ny dihy. Tarihina ny sain’ny mpiandraikitra mba hazoto hatrany hanoana ireo lovitao amin’ny talenta mety ananany.

Mirary an’ise mpiandraikitra ihany koa hazoto hampihatra sy hitrandraka ho an’ireo beazina. Isaorana lehibe Andriamanitra tamin’ny famolavolana sy fanantontana ny fitaovana. Isaorana ny ekipa departemanta Fanabeazana tamin’ny fifanampiana rehetra.

Ny beazina no tsangambato.