Sokajy
Sampana Mavo Tily (Lovitao)

Tantaran’ny atiala

Indro ary atolotra antsika indray ireto tantara notsongaina tao anaty ‘’Livre de la jungle’’ izay noezahina nadika amin’ny fomba samy hafa .

Tantara valo no nosafidiana atolotra an’ise ato anatin’ity boky ity ka ny dimy dia natao tantara holalaovina hifamaliana izay maneho
miharihary ireo mpandray anjara; mora lalaovina kokoa ary ny telo kosa dia natao ho tantaraina. Fomba fanehoana ihany ireo fa azo lalaovina ao anaty haza lehibe avokoa ireo sokajin-tantara ireo.

Ankasitrahana ireo zoky teo aloha izay niezaka nandika ny tantara tamin’ny teny Malagasy sy ireo nanampy tamin’ny famoahana izao boky izao. Misy ihany koa ny ezaka efa natao handraketana izao
boky izao amin’ny raki-peo mba hahaliana kokoa ny Lovitao sy hanampy an’ise .

Tiana ny mampatsiahy fa ny tantara ao anaty ‘’Livre de la jungle’’ izay nosoratan’i Rudyard Kipling dia natao ho fitaovana entina hanabeazana ny Lovitao izay miaina nofinofy ao anaty tontolo nofinofy. Antenaina ary fa hanampy an’ise amin’ny fanatsarana ny
kalitaon’ny fanabeazana ity boky ity. Mbola misy ireo tantara hafa tsy voarakitra ato, koa manentana an’ise hitrandraka hatrany ny ‘’Livre de la Jungle’’.

Koa mahereza ary ry Filoha sy Mpiandraikitra isany maneho ny fahendrena sy fifankatiavana ary ny firaisankina raiketin’ny tantara mba hipaka tsara any amin’ny beazina ny fanabeazana ataontsika.