Irina sy telina tokoa ny mba hisianâny fitoviana lenta eo aminâny sampana maitso manerana ny Nosy, indrindra eo aminâny fiatrehana ny fifaninana nasionaly. Iray aminâizany ny LOMAY ka ilaina ny fampitoviana tadin-dokanga aminâny isika, mba samy faritany, faritra ary fivondronana mitovy lenta amin’ny fiomanana ny sampana maitso rehetra.
Inona no atao hoe Lomay ?
Ara-pamaritana ny hoe LOMAY dia, nalaina avy amin’ny voambolan’ny foko bara, entina ilazana hazakazaka: izany hoe olona iray na olona maromaro mihazakazaka hanatratra tanjona iray.
Nofidiana io anarana hoe LOMAY io entina iantsoana ny lalao fifaninanana teknika tily sampana maitso eo amin’ny sehatra nasionaly.
Foto-kevitra niaingana ho an’ny LOMAY (sy ny TENDRO amin’ny ankapobeny)
Tany am-piandohana dia fitaovana iray entina handrefesana ny zava-bita nandritra ny taom-piasana ny TENDRO. Lasy miendrika LALAO RANORAY FOTSINY izay hihaonanâny sokajy voafantina isam-paritany manerana ny nosy mba hisianâny fifanankalozana, fitoviana ary indrindra ny firaisan-kina sy fitiavana; ary hanamafisana hatrany ilay fiainam-bondrona. Aminâny maha TENDRO azy izay dia izay tena lohany eo anivonâny faritany no miatrika azy.
Izany hoe ny TENDRO (ao anatin’izany ny LOMAY) dia natao ho :
- Fampiainana ny fiainan-tsokajy
- Fanehoana ny firahalahiana
- Fampiainana ny talenta ao anatinâny fotoana fohy mba hanodrotana ny lenta vaovao ho anâny isam-batanolona
Ho anâny sampana mavo dia ny REMBY (nantsoina koa fahiny hoe VIKINA), ho an’ny sampana maitso dia LOMAY, ho an’ny sampana mena DIGNIERY, ary sampana menafify dia ny AMPAMOLOANA (hanavahana ny lalao nasionaly amin’ny FOTASA, izay sehatra Faritany).
TENDRO kosa no iantsoana ny fitambaran’ireo rehetra ireo, ary natokana ho fiantsoana amin’ny sehatra nasionaly ireo.
Tarigetran’ny LOMAY
« Roso tsy miverina« , izay no tarigetra tratrarina.
Raha ny tokony ho izy izany, izay sokajy rehetra niatrika, ny Filoha rehetra nitarika dia ho niaina traikefa miavaka indray mandeha amin’ny fiainany ka tsy tokony hiverina hitarika sy hanatrika intsony.
Hiran’ny LOMAY
Roso tsy miverina izay no tarigetra
Na inona itsapana na inona fepetra.
Hainandro mahatorana fanala vao maraina
Sokajy sahy sedra sokajy iray aina.
Lalao na teknika fampiasana herim-batana
Asehonay zahay fa tily roso lalana
Ka indro faneva no asandratray tokoa
Ny satanâny sokajy mandrisika ao am-po.
Tsy manana ahiana, tena feno toky
Fa ny mitarika dia i Jesosy Zoky
Na ino mampijaly, na ino manahirana
Atao am-pitsikiana sy tava mirana.
Fiverenana
ka hira no manako hatrany lavitra any
Hira tily sambatra mavitrika fandeha
Famindra sy fihetsika manintona aoka izany
Handeha hamakivaky havoana marobe.
Feony sy tonony:
VITSIKA Mpitarika
MAKY Mpampifaly
Mariky ny LOMAY
đââïž Mari-dalana HAINGANA
đ miampy KIJANA be misy FANEVA iray eny an-tendrony.
đ© Ireo rehetra ireo samy miloko MAITSO avokoa (satria sampana maitso),
đȘ ary ao anaty endrika papango toy ny mariky ny TENDRO (hamantarana fa ao anatin’ny TENDRO, ary mandray anjara amin’ny fanabeazana iray ny sampana rehetra)
Ny lalao anatin’ny LOMAY
Satria sehetra nasionaly no hilalaovana dia natao ho lenta MENAVAZANA ary indrindra miainga avy aminâny TALENTA misy eo aminâny sampana maitso ny lentan’ny LOMAY.
Toe-tsaina iatrehana ny LOMAY
- Hatsarana
- Hakingana
- Fahombiazana
- Toe-tsaina tily
Mpandray anjara
Sokajy iray isam-paritany no miatrika ny LOMAY, ka sokajy voafantina isam-paritany niainga avy aminâny LALAO nifototra aminâny TALENTA misy eo anivonâny sampana maitso.
Endriky ny lalao anatin’ny LOMAY
Ny lalao rehetra dia ezahina hanabe ny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pihetseham-po ary ara-piarahamonina.
OLOMAY
Lalao ara-batana ranofotsiny. Tsara raha efa miomana ara-batana ny sokajy tsirairay avy.
Ireto avy ireo mety hita ao anatinâny OLOMAY.
- Mamindra (mandeha tongotra)
- Hazakazaka
- Miakatra aminâny tady
- Mitsambikina
- Manipy zavatra
MAITEK
Lalao ara-teknika ranofotsiny no eto. Ilaina eto ny fahaizana teknika tily rehetra. Mety hisy poste maromaro araka izany ny endriny. Mety hisy koa hazakazaka mamonjy poste.
LOMAIKETI
Sehatra hanehoanâny sokajy ny fahaiza-mamorona ka mifototra aminâny talenta ananany. Miainga avy aminâny talenta sampana maitso ny fanaovana azy. Miainga aminâny fitsidihanâny sokajy ny toerana iray mampiavaka azy ny fanaovana ny MAKETY.
KOLOMAY
Sehatra kolotsaina no tena asongadina eto. Misafidy fomba amam-panao mampiavaka azy ny faritany tsirairay; aseho aminâny alalanâny tantara an-tsoratra mba ho raketina izany ary hisy sehatra hanehoana azy.
Ny fomba hanatanterahana azy dia aminâny famaranana ny LOMAY ka sady hialana voly no mbola hifaninananâny sokajy rehetra.
Tsara raha efa mijery sy manomana mialoha ny isam-paritany.
LOMAINANDRO
Natokana ho anâireo karazana lalao maro samihafa hanehoana fahalalana sy fahaizamanao ankapobeny, ary indrindra misy hifandraisana aminâny talenta sampana maitso izay hitantsika ao aminâny boky ANTSAHA. Ao anatinâity no ahitana ireo lalao toy RALLY LOMAY, LOMAIPIKA
MAISOMA
Lalao hamporisihana ireo sokajy hamaky sy hifehy ny soratra masina no atao eto. Omena mialoha ny soratra masina ho dinihana mba hitovianâny sokajy rehetra manerana ny Nosy. Ny Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, Jaona) no hisintonana ny lalao.
SOMI
Sehatra ahafahanâny sokajy tsirairay avy mifandray aminâny alalanâny tontolon’ny fifandraisana misy.
Tanjona ny hisianâny fifanankalozana eo amin’ny samy sokajy, tokony ho hita ao ny zava-misy eo aminâny sokajy, ny fananany, boky volamena, zavatra mampiavaka ny sokajy sns.
Milalao aloha vao mifaninana