« Ny hazo no vanon-ko ho lakana, ny tany naniriany no tsara”
Vinan’ny fanabeazana Tily 2021 – 2024
#ISEnoTsangambato : Amin’ny taona 2024, faha-100 taonan’ny Tily eto Madagasikara, ny beazina no fitaratry ny fahombiazan’ny fanabeazana tily.
Paikady fito
- Mifototra amin’ny tanora beazina “ ise “beazina” no tsangam-bato”
- Manana fandaharana ny 80% n’ny vondrona rehetra: fandaharana taona sy fandaharana 2 volana (mifandraika amin’ny fandaharana fampianarana)
- Mahafantatra sy mampiasa ny tanjom-panabeazana isaky ny sampana
- Fitrandrahana ary fampiasana (promotion) ny ambaratonga sy talenta
- Hetsika miantraika amin’ny fiaraha-monina sy fandraisana anjara amin’ny fampivoarana ny manodidina, velona sy matanjaka ny fikambanana: “ ise no tsangambato ”
- Fanapariahana ao anaty fotoana fohy ireo boky sy torolalana entina hanampiana ireo mpiandraikitra amin’ny asa fanabeazana
- Hanabe, manintona sy mivoatra ny sahan’asa amin’ny alalan’ny fananana fisy teknika maro
Laharam-pahamehana efatra
- Aim-panahy sy soratra masina
- Kolontsaina sy soatoavina malagasy (ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara), fahalalam-pomba
- Ny fanamamiana sy ny marika maha-tily
- Fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetrandro