Sokajy
Izy no ...

Izy no … Ramino Paul

Pasitera Ramino Paul Abraham, angady nananana sy vy nahitana ary tandroka miaro ny vozona tao anatin’ny skotisma izy, hatramin’ny fahakeliny mihitsy. Betsaka ireo andraikitra efa notanany, manan-talenta izy ary miaina ao anatiny ny teny hoe « Skoto indray andro, skoto mandrakizay ».

Ny niandohany

Tao amin’ny fivondronana faha-12 Avaratr’Andohalo no nisy azy ary tao ihany koa moa ny rainy no nitandrina.

Rehefa avy nitsidika fiangonana maro tany ampitan-dranomasina ny rainy ka nahita ny fanaon’ireo skoto tany ivelany dia nilaza izy fa tena ilaina ny miditra skoto. Tany amin’ny taona 1952 tany, mbola tsy nisy lovitao tao fa avy hatrany dia niditra ho tily izy na mbola vao 10 taona aza. Taty aoriana nefa, rehefa naorina ny lovitao dia niditra ho lovitao ihany aloha ny tenany.

Ny tena nandrisika azy hanao Tily

Tena anisan’ny nandrisika azy hivory, araka ny fitantarany, isaky ny sabotsy ny mpiandraikitra nitarika azy ireo. Tsy mba nisy fifandisoana izany mihitsy koa teo amin’ny fotoana fianarana sy ny nanaovako skoto. Mahagaga ahy, hoy izy, ny filazan’ny ankizy amin’izao fotoana hoe tsy afaka manohy Tily fa tsy maintsy mianatra. Tena mahavariana ahy koa ny fampiatoana fivoriana mihitsy noho ny fanadinana tsy maintsy ho atrehin’ny ankizy.

Zavatra goavana ny fahaizana manomana mpandimby rehefa mandray andraikitra

Pasitera Ramino Paul

Toetra fototra tokony ho ananana izany rehefa mitana andraikitra. Zava-dehibe koa ny fahaizana mizara andraikitra ary fanampin’izany dia mila omena fahatokisana ilay olona nomena andraikitra iny. Tsy hitovy amin’ny eritreritrao avokoa mantsy ny eritreritry ny olona, ny talenta sy ny fomba fiasa rahateo samy manana ka tokony hipetraka ny fahatokisana ilay olona raha vao mizara andraikitra fotsiny. Izany no fomba fisainana ilaina sy zaraina amin’ny ankizy satria manomboka any amin’ny lohan-tsokajy izany fahaizana mizara andraikitra sy fametrahana fahatokisana izany.

Ny lasy voalohany nalehany tao Ambohitrimanjaka no isan’ny nanamarika azy.

Tamin’izany fotoana vao niaina tahotra lehibe. “Nisy nitoraka tao an-tafotranon’ilay sekoly natorianay, hoy izy, ka tena tsy natory mihitsy. Izany misy matoatoa, hoy ny ankizy samy nihoraka ka tena natahotra be mihitsy aho tamin’izany”.

Isan’ny nanamarika ihany koa ny lasy fanomanana voalohany tao Manjakandriana. Ankizy maherin’ny 150 no nentina tamin’izany ary izy no Filohan’ny lasy. Izany fahatsiarovana izany no nentiny nanamarihana fa rehefa mitondra ankizy, na maro na vitsy dia tokony ho zava-dehibe ny fizarana andraikitra.

Manan-talenta mpanentana sy mpahandro

Mpanafana afon-dasy no isan’ny talenta nomena ny Pasitera Ramino Paul tao amin’ny Tily. Teo ihany koa ny fahaizana mahandro sakafo izay nohamafisin’ny vadiny, Ramatoa Ramino fa tena ao aminy tokoa. Tsy misy ny sakafo tsy voafehiny, hoy ihany ny vadiny fa ny “spaguetti bolognaise” no tena hainy ny mahandro azy. Isan’ny tena tsy zakako, hoy izy mitantara, ny fihinana vary manta moaka sy sakafo zara fa vita any an-dasy. Ireo filoha koa vao maika milaza fa toa izany ny Tily ka tsy maintsy mihafy.

Diso be izany fa fihezahana kely monja dia misakafo tsara rehefa any an-dasy ka tamin’izany fotoana dia izaho mihitsy no mirotsaka mahandro.

Nitety firenena maro

Ny fidirany tao anatin’ny Skotisma no nahafahany nitety firenena maro izay mbola tsy hitany mihitsy. Tena nanamarika azy ny famonjena Jamboree tany Japon, tamin’ny taona 1971. « Nianto-tena aho tamin’izany » hoy izy mitantara. Avy any Genève dia namonjy nankany Japon ary tena nahafinaritra ny fiarahana tamin’ireo skoto manerantany, tamin’izany.

Hafatra ho an’ny Tily

Omeo foana izay tsara indrindra avy amin’ise

RAMINO Paul

Rehefa manao zavatra dia ataovy tsara fa aza atao kitoatoa. Tokony hanome izay tsara indrindra avy any aminy foana ny tsirairay na inona na inona tranga misy. Fanoloran-tena no tena ilaina rehefa ao anaty Tily.

Ny fomba iray ahavitan’ny filoha ny asany dia ny fahafahany manatontosa tsara ny lasy fanomanana ireo mpiandraikitra. Rehefa tsara ny fanomanana dia mandroso ny Tily. Aza variana manao “mouvement de chef” fa anontanio ny ankizy satria izy ireo no fototra hijoroan’ny Tily eto Madagasikara sy hampandroso azy ihany koa.