Ny Fihaonan’ny Filoha dia iray amin’ireo sehatra teknika nasionaly fanapahan-kevitra ho an’ny Mpanabe Tily, araka ny voasoratra ao amin’ny Fitsipika Fototra & Fitsipika Anatiny, andininy faha-142.
Ireo Filoha sy Tari-panofanana manana karatra ara-dalĂ na no manatrika ny FIFITI ary ny Foibe Tily eto Madagasikara no milarakara azy. (Jereo Tovana Fitsipika Fototra & Fitsipika Anatiny, pejy 78 & 79).
Isan-taona no tanterahina ny FIFITI.
Ny hevitry ny sary famantarana ny FIFITI
Loko Manga :
ranomasina maneho ny maha nosy antsika, mifanaraka ihany koa amin’ny hevitry ny marika Ravinala, izay mampiavaka antsika Tily Eto Madagasikara.
Loko Fotsy :
maneho ny FAHADIOVANA sy ny fitoviana ary ny fahamasinana.
Tady : endrika fampifandraisana ny skotisma Tily Eto Madagasikara amin’ny Skotisma maneran-tany, endriky ny firahalahiana, sy maneho ny maha iray ny skotisma eran-tany, sady mivelatra no mijanona ho iray hatrany.
Saritany Madagasikara voadidina loko efatra MAVO MAITSO MENA MENAFIFY :
maneho ny sehatra irotsahantsika, dia eto Madagasikara ary ahitana ny Sampana efatra mifanohy sy mifandray.
Ny filaharan’ny sarin’i Madagasikara sy ny marika Ravinala : ny TEM dia ianteheran’I Madagasikara eo amin’ny fampandrosoana azy.
FIFITI : Fanafohezana ny hoe FIhaonan’ny FIloha TIly
Ahoana ny fomba fiaraha-miasa eo amin’ny Foibe sy ny Faritany izay mandray FIFITI ?
Araka izay voalazan’ny Fitsipika Fototra sy ny Fitsipika Anatiny dia ny Foibe no mikarakara ny FIFITI. Ara-pandaminana, ny Faritany izay mampiantrano kosa dia manana andraikitra hanamora ny fanatanterahana ny asa rehetra any an-toerana.
Inona avy no atao any amin’ny FIFITI ?
Araka izay voalaza ao anaty Fitsipika Fototra sy Fitsipika Anatiny, dia azo fintinina amin’ireto zavatra manaraka ireto ireo zavatra izay hotanterahana mandritra ny FIFITI :
- Mandray ny hetaheta sy ny filĂ n’ny mpikambana, mihaino sy mifanakalo hevitra momba ny zava-misy any amin’ny Faritany, manao fehin-kevitra,Â
- Mandrafitra ny drafi-panabeazana sy ny drafi-piofanana, niainga avy amin’ny Fivoriam-ben’ny Mpanabe, ny Fivoriam-ben’ny TP/TEM ary ny Fihaonan’ny Filoha, Â
- Manao tatitra, jery todiky ny fandaharam-panabeazana tamin’ny taona lasa ary mandany ny soritr’asa hanabeazana ho amin’ny taona manaraka (sehatra Faritany/Foibe),
- Manapaka mikasika ny fomba sy tarazo, ny fanamiana, lafin-javatra samihafa mahakasika ny fanabeazana,
- Mampahafantatra sy manofana ny Filoha rehetra mahakasika ny boky sy ny tahirin-kevitra navoakan’ny Foibe sy na ny TP/TEM momba ny fanabeazana : Fomba, Tarazo, Fanamiana, Fanekena …
- Mifampizara traikefa sy haizatra, mampitovy tadin-dokanga,
- Manapa-kevitra momba ny tolo-kevitry ny Foibe momba ny fitantanana, fandaminana ary fifandraisana anatiny sy ivelan’ny TEMÂ
- Mamolavola hevitra hodinihan’ny Fihaonam-ben’ny Mpanabe (Pow Wow)
Fe-potoam-piasana 2002 – 2006 notarihan’ny Filoha RAKOTONARIVO Haja (ARA Mientana)
Taona | Toerana | Faritany nampiantrano |
2003 | Toamasina | Atsinanana |
2004 | Soamahamanina | Itasy |
2005 | Toliara | Atsimo Andrefana |
2006 | Isoavina Ambanitsena | Analamanga 5 |
Fe-potoam-piasana 2006 – 2010 notarihan’ny Filoha Ny Hasina RAKOTONDRAJAO
Taona | Toerana | Faritany nampiantrano |
2007 | Antsirabe | Vakinakaratra |
2008 | Mahajanga | Boeny |
2009 | Fianarantsoa | Matsiatra Ambony |
2010 | Alarobia Antananarivo | Analamanga 5 |
Fe-potoam-piasana 2010 – 2014 notarihan’ny Filoha RATOVOHERY Ratobison Lanto (MAMBA Maharitra)
Taona | Toerana | Faritany nampiantrano |
2011 | IFLA Antananarivo | Analamanga 5 |
2012 | Joffre Ville Antsiranana | Diana |
2013 | Ambatondrazaka | Alaotra |
2014 | Ambatomanga Antananarivo | Analamanga 5 |
Fe-potoam-piasana 2014 – 2018 eo ambany fitarihan’ny Filoha RAOELIJAONA Michel (KALIA Miaritra)
Taona | Toerana | Faritany mpampiantrano |
2015 | Basia Tsianaloke/Père Barré Sanfily Toliara | Atsimo Andrefana |
2016 | Village d’Enfant SOS MangaranoToamasina | Atsinanana |
2017 | Le Bonheur Antanimasaja Mahajanga | Boeny |
2018 | FOFIKRI Ankadikely Ilafy Antananarivo | Analamanga |
Fe-potoam-piasana 2018 – 2021 eo ambany fitarihan’ny Filoha RAOELIJAONA Michel (KALIA Miaritra)
Taona | Toerana | Faritany mpampiantrano |
2019 | FJKM Dzamandzar Nosy Be Hell Ville | Diana |
2020 | TRANOMBITSIKA Antsahamarofoza | FFP – Foibe |
2021 | FJKM Moramanga | Mangoro Moramanga |
Fe-potoam-piasana 2021-2024 eo ambany fitarihan’ny Filoha RAHAINGO RAFANOMEZATIANA Toky (TANTANA Mikolo)
Taona | Toerana | Faritany mpampiantrano |
2022 | Morondava | Menabe |
2023 | Taolagnaro | AnĂ´sy |
2024 | Sambava | SAVA |